Aretina sa inona ? Mahazo vahana indray tato ho ato ny ray mifotitra amin-janany vavy. Saika ahenoana izany tranga izany ny lafivalon’ny Nosy.
Farany teo izao dia tany Befandriana Avaratra, Faritra Sofia. Raim-pianakaviana iray, 41 taona, no nahavita nanolana ny zanany vavy tsy ampy taona, 13 taona. Araka ny filazan’ilay zaza dia efa im-balo naolan’ny rainy izy hatramin’ny volana janoary 2013 no ho mankaty, ary mbola mahazo fandrahonana hovonoina raha mitoroka. Mipetraka amin’ny renibeny ity zaza ity, ka amin’ny fotoana tsy maha ao an-trano ny vadiny no voalaza fa iantsoan-drainy azy tereny hanao firaisana aminy. Voaporofo tamin’ny fizahana ny fahasalaman’ilay zaza moa fa dia efa tsy virijiny intsony ity voatavo tsy mifandraka ity. Efa in-droa nisy nitory noho io fanolanana ataony io ilay raim-pianakaviana, ny voalohany dia talen-tsekoly no nitory azy tany amin’ny polisy, ny faharoa kosa dia ny tompontrano itoeran’izy ireo, izay maheno ny fikofokofohana amin’ny fotoana isian’ny fanararaotana ara-nofo no nitory azy. Re anefa fa nanao taratasy “manadio” an’ity rangahy nahavanon-doza ity ramatoa vadiny. Tsy manakana ny famotorana tsy hatao anefa izany, ary dia hatolotra ny fampanoavana amin’ny alatsinainy izao ny raharaha.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.