Actualités

Raikely nanolana ny zana-bady Mbola tsy hita popoka hatreto


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Lehilahy iray voalaza fa Raikely no nanolana sy namono zazavavy kely vao 3 taona monja tao amin'ny Fokontany Fiadanakely Mahitsy, ny Sabotsy 24 Septambra lasa teo.

Taorian’ny zava-nitranga dia nanjavona tanteraka ny lehilahy ary tsy hita hatramin’ny omaly fotoana nahazoana sy nanoratanay ny vaovao. Miantso ireo olona izay mahita na mahafantatra ity lehilahy amin’ny sary ity araka izany ireo mponina any an-toerana sy ny fianakaviana mba hampandre ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra. Raha araka ny fantatra moa dia simba tanteraka ny fivavian’ilay zaza tsy manan-tsiny. Anatra ho antsika reny efa nisara-bady ka manana zanaka vavy kely ity tranga ity. Mitaky fandinihan-tena tsara mantsy ny fanohizana ny fiainana raha mbola hanambady na tsia. Efa mivadika ho biby avokoa mantsy ny ankamaroan’ny Raikely amin’izao ka tsy vitan’ilay Reniny no vadiany fa simbainy ihany koa ny fiainan’ilay zanany. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Raikely nahavanon-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT