Actualités

Raibe namoa-doza Bevohokany enim-bolana ny zafikeliny


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Raibeny namoa-doza 57 taona indray no nahavita nanolana ny zafikeliny vao 15 taona tao amin’ny fokontany Morafeno Atsimo, kaominina an-drenivohitr’Arivonimamo, volana maromaro lasa izay.

 Efa bevohoka enim-bolana mantsy ilay tsy manan-tsiny vao fantatra ka rehefa nanontaniana ity farany dia nandritra ny fivahinianany tao amin’ity raibeny ity no nanaovan’ity farany izao filan-dratsiny izao. Manoloana izany dia nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity taorian’ny fitoriana nataona ramatoa iray 38 taona izay mpitsabo renin’ilay zaza ihany. Fantatra ary fa olona manana ny maha izy azy ao an-tanàna tokoa raiben-jaza nahavanon-doza ity satria dia nitazona ny laharana faharoa nandritra ny firotsahana ho fidiana ho ben’ny tanàna farany teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia niaiky tokoa izy fa nanolana ity zafikeliny vao 15 taona monja ity. Hatolotra ny fampanoavana anio Alarobia 02 Martsa ny raharaha. Tokony ho mailo hatrany moa isika Raimandreny manan-janaka vavy manoloana ny tranga tahaka itony. Na ny ray niteraka aza mantsy mahavita manolana amin’izao mainka fa ny dadabe sy ny dadatoa. Raha azo hatao dia ezahina ihany koa ny ankizivavy kely na ny zazavavy kely tsy hanao fitafiana manaitaitra raha araka ny resaka nifanaovana tamina manam-pahaizana momba ny saina hisorohana ny filan’ny lehilahy tsy hirongatra.
Pati
Legende : Ity ilay raibe nahavanon-doza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT