Actualités

Raharovoatra Claude «Lainga ny filazana fa miasa ny ankamaroan’ny mpampianatra»


  • Talata 15 Mey 2012

Mbola nananteraka hetsika tetsy anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ireo mpanabe sy mpampianatra omaly.

 Misy ihany anefa ireo efa nandray ny asany raha ny hita tamin’ny sekolim-panjakana sasany teto an-drenivohitra. Raha ny vaovao nalefan’ireo mpiasan’ny seraseram-panjakana any amin’ny Faritra koa dia saika efa niverina nandray ny asany ny mpampianatra. Ho an’ny mpandrindra nasionaly ny SEMPAMA Raharovoatra Claude dia tsaho avokoa ireny tatitra ireny satria vao vita, hoy izy, ny fidiran’ireo mpanao gazetim-panjakana ireny amin’ny onjampeom-pirenena dia miantso azy mandiso ny vaovao nampitaina ny solontenan’ny SEMPAMA any an-toerana.

Tsy mbola nanambara ny heviny momba ilay 25 miliara Ariary koa ny SEMPAMA raha ny filazany ihany manoloana ny resaka mandeha fa neken’ny mpitokona io maribola io saingy ny fomba fanomezana azy no tsy mazava. «Mbola misy ny fifampidinihana amin’Ambohitsorohitra satria ry zareo nilaza fa io aloha no azo omena izao noho ny fahasahiranan’ny firenena. Ny andrasanay valiny izany izao dia hoe raha miverina ny famatsiam-bola avy any ivelany dia miakatra ohatrinona ny tambikaraman’ny mpampianatra ?», araka ny fanazavan-dRaharovoatra Claude. Ankoatra izay dia miandry ny hevitry ny fanjakana momba ny fidiran’ny mpampianatra ao anatin’ny vaomiera manao ny fandraisana mpampianatra vaovao sy famindran-toerana koa ny SEMPAMA. Raha ny voalazan’ity mpandrindra ny sendika ity ihany mantsy dia tsy misy tokotaniny mihitsy ny momba ireo mpampianatra FRAM amin’ny resaka rehetra atao. «Raha 100 ny isan’ny mpampianatra FRAM tokony horaisina dia ny 20 amin’io ihany no tena izy fa fianakavian’ny mpiasan’ny ministera sy ny vaomiera ny ambiny”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT