Actualités

Raharinirina Jacques Aimé Manahy ady an-trano toy ny tany Côte d’Ivoire


  • Alarobia 24 Jolay 2013

Tsy feno ny fepetra hanatanterahana fifidianana, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé satria tsy misy ny fitoniana no tsy milamina koa ny tany. Ny momba ny CES aza tsy ahitana marimaritra iraisana.

 

Ny fanaovana fifidianana amboletra amin’izao zava-misy izao araka ny heviny dia ahiana hiteraka fipoahana toy ny Ejipta amin’izao. “Nihazakazaka nanao fifidianana ry zareo Ejipsiana dia io iaraha-mahita io no vokany. Ady an-trano. Aoka handinika tsara ny mpitondra sy ny vahoaka mba tsy ho tratry ny fandriky ny fahamaizana”, hoy hatrany ity CST avy amin’ny antoko Tambatra ity. Mampanahy azy koa ny fifandraisana marisarisa eo amin’ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra izay ambarany fa mety ho rangory fototry ny afo amin’ny savorovoro raha tsy mitandrina. Noho i Andry Rajoelina tsara fihavanana amin’ny tafika sy i Beriziky milaza ho tsy manan-tompo afa-tsy ny Tondrozotra no mahatonga izay tahony izay. “Sahala amin’izao toe-java-misy izao mihitsy no nampirehaitra an’i Côte d’ivoire . Ny tompon’ny basy sy ny tompon’ny fahefana mampihetsika ireny mitam-basy ireny mantsy no voakasika mivantana”, hoy izy.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT