Actualités

Raharahan’ny oniversite Mbola manjavozavo tanteraka


  • Talata 10 Mey 2011


 Raha nambara ombieny ombieny fa efa niravona ny olana eny amin’ny anjerimanontolo, ka efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanohy fianarana dia mbola baraingo raha tena hanomboka mialoha ny 16 mey tokoa ny fampinarana. Mahatsaro manko ireo mpianatra fa nivadika tamin’ny fanekeny ny minisitry ny FAT misahana ny fampianarana ambony. Nambaran’ity farany fa ny daty hianaran’ireo mpianatra no heverin’ny ministera havoaka fa tsy ny fampianarana no hanomboka mialoha io daty io.

Tsy izany anefa no nifanarahana fa ny fanombohan’ny fampianarana mihitsy. Ankilan’izay koa, ny SECES dia nilaza fa hevitry ny minisitra samirery iny filazana ny famoahana ny daty iny fa tsy nifanarahana tamin’ireo mpampianatra. Raha hita ny marimaritra iraisana, hoy ireto mpampianatra mpikaroka ireto dia vonona ny hampianatra tokoa izy ireo. Ny mpianatra moa dia mazava ny teniny fa dia tsy ho tompon’antoka amin’izay zavatra hiseho aorian’ny 16 mey, raha tsy manomboka ny fianaran’izy ireo.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT