Actualités

Raharahan-drongony tao Ihosy Nangina ny depiote Nicolas, fa nahoana ?


  • Talata 10 Mey 2016

Tsy nandrenesam-peo mihitsy ny Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas, izay voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka ary monina sy manana trano roa ao Ihosy, momba ity fahatrarana rongony be dia be tany an-toerana ity.

 

Amin’ny maha zanak’iny faritra iny ny tenany sy ny maha filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana azy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia heverina fa tokony ho manan-kolazaina izy, nangina anefa. Fantatry ny rehetra tsara fa be resaka ary mahay miresaka sy mandaha-teny ity depiote ity ary raha vao mahita hirika hitenenana dia miteny. fa Nahoana ary izy no nangina tampoka teo ? Ankoatra ireo rongony tratra tao Ihosy ny herinandro lasa teo iny, dia nisy rongony milanja 1,750 taonina ihany koa tratran’ny zandary tao amin’ny kaominin’Ambalasoa, distrikan’i Betroka ny harivan’ny 18 aprily 2016 saingy tsy re loatra io vaovao io raha tsy efa nipoaka ny afera tao Ihosy. Tsy hita ny tompon’ireo rongony ireo ary efa nodoran’ny mpitondra fanjakana tany an-toerana ireo entana tratra. Raha ny ao Betroka indray moa dia finiavana angaha no tsy ampy fa raha ny mpanao an’io afera io ao an-toerana dia tsy miafina intsony ary fantatry ny rehetra. Nahagaga koa teto fa dia nangina tsy nandrenesam-peo ny depiote Nicolas Randrianasolo izay voafidy tao Betroka anefa. Tranga iray faharoa mahalasa saina ihany koa dia toa natao hanodinkodinana saim-bahoaka fotsiny ity resaka trafikana rongony ity. Fomban’ny fitondrana mantsy rehefa misy zavatra tsy tiana ho takatry ny fiarahamonina dia taritina any amin’ny zavatra hafa ny fisainan’ny vahoaka. Fa misy inona hitranga ? Ilay resaka fiantsoana ny filoham-pirenena any Singapour ve no tiana hotakontakonana sa misy zavatra hafa ? Nasian’ny Cemgam resaka ny fikononkononana fanonganam-panjakana ary mbola nasian’ny praiminisitra teny ihany koa. Hatraiza no tena maha marina izany resaka rehetra izany ? Andrasana ankehitriny izay mety ho votoatin’ny dian’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara fa tsy mbola fantatra mazava. Nangingina ny resaka frankofonia fa ny fanomanana ny fandraisana ny fivorian’ny Comesa indray no nomasahana. Inona avokoa no dikan’izany ?


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT