Actualités

Raharaham-pitsarana Samy ampamoaka nefa …


  • Alarobia 06 Aprily 2011

Tsy nisy tohiny intsony ilay raharaha fanonganam-panjakana araka ny ampamoaka sy fiaikena heloka nataon’ny manamboninahitra isany lietna kolonely Charles Andrianasoavina sy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana.

Hitam-poko hitam-pirenena fa anisan’ireo miaramila nafana fo avy ao amin’ny tobin’ny Capsat ary nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 izy ireo. Nanamafy tamin’ny alalan’ny taratasy nosoratany tany am-ponja izy ireto fa fanonganam-panjakana efa voaomana ary nampiasana vola sy hery no natao tamin’ny 2009. Maro be, araka ny taratasy nosoratan’ny kolonley Charles, ny fihaonana natao teto an-drenivohitra namariparitana ny tetik’ady nampiasaina tamin’izany ary olona ambony ao amin’ny fitondrana amin’izao fotoana sy mpanao politika efa diso fantatry ny olona loatra no nandray anjara tamin’izany niaraka tamina manamboninahitra.

Nanambara avy hatrany moa ny ministry ny fitsarana Christine Razanamahasoa fa tsy azo raisina io ampamoaka an-taratasy io ary tsy manana ny lanjany eo amin’ny lalàna sy ny fitsarana, ary dia nambaran’ny manampahefana koa taorian’izay fa tsy salama saina tsara, hono, ny lietnà-kolonely Charles ka miteniteny foana. Nisy fitoriana nataon’ny filoha Ravalomanana nifototra tamin’ireo fijoroana vavolombelona sy fieken-keloka nataon’ny kolonely Charles. Re ihany fa nitohy tany Tsiafahy ny famotorana ireo manamboninahitra, saingy nangingina ary toa nampanginina mihitsy  koa aza ilay raharaha.

Tsy tahaka izany mihitsy anefa no nitranga tamin’ny raharaha Mamy Rakotoarivelo fa tonga dia nampanantsoina ary notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 15 andro avy hatrany noho ny fanadihadiana tsy maintsy atao aminy ity mpanao politika mpitarika ny ankolafy Ravalomanana sady Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagadikara ity. Fanambaran’olon-tsotra sy fiaikena heloka tsy mifanalavitra tamin’ny nataon’ny kolonely Charles koa anefa no nitranga tamin’ity indray mitoraka ity, kanefa dia tsy nisalasala nanapa-kevitra ny hisambotra avy hatrany ny mpanao fanadihadiana fa tsy nijery ifotony na nananadihady hoe mitombina marina ve ny fanambaran’ireo roalahy nilaza fa nihaona tamin’i Mamy Rakotoarivelo sy nomeny toromarika niampy vola sy ny hoe salama saina tsara ihany koa ve izy ireo.

Mbola azo apetraka koa ny fanontaniana hoe : tsy niharan’ny teritery ve izy mirahalahy ireo mialoha ny nanaovany fanambarana am-bava sy an-tsoratra. Miandry, araka izany, ny mpanara-baovao mba hampanantsoina ihany koa na dia atao fanadihadiana fohy ao anatin’ny minitra vitsy fotsiny aza ireo olona voatonona fa nikotrika fanonganam-panjakana ka voasoratra tao amin’ny taratasin’ampamoakan’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina. Na marina na niova kely na tena diso mihitsy mantsy io ampamoaka io, dia tsy tokony hisakana ny fisian’ny fanadihadiana sy ny fakana am-bavany izany mba hamantarana ny tena marina, araka ny filazan’ny mpahay lalàna iray tafaresakla taminay

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT