Actualités

Raharaham-pirenena Mila omena vahana ny fokontany


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Tsy misy zavatra hanjary eto raha tsy ny hevitry ny mpitondra sy ny mpanohitra ary ny olon-tsotra izay sady tsy mpitondra no mpanohitra nefa miaina eto Madagasikara no harindra mba hiteraka fitondran-tena sy fifanajana amin’ny entina sy ny mpitondra ary fanajana ny atao hoe « majorité silencieuse »,

 hoy Ramarosoanarivo Jeanson, filohan’ny komisionina politika ao amin’ny fikambanan’ireo loholona tranainy na ny ACS. Tsy azo teren-ko masaka anefa ny dingana ahatongavana amin’izay dinika izay, raha ny heviny, ka noho izany tsy azo ferana hoe tsy maintsy amin’ny 2016 na 2018 fa amin’ny fotoana ifaneken’ny rehetra mba tsy hisian’ny fifanaovana herisetra toy izay efa nisy teto amin’ny firenena. Olana fototra eto amintsika, hoy izy, ny lalàm-panorenana izay niova hatrany isaky ny misy fitondrana miova. Izany hoe nataon’ireo mpitondra nifanesy tamin’izay nahamety azy. Tokony hovaina ho marina sy tsy mandringa aloha ny lalàm-panorenana mba tsy ho « constitution bancale » toy izao. Tokony ho arafitra daholo indray miaraka, hoy izy, ny fitakiana rehetra manerana ny lafivalon’ny nosy ary tokony hovaina ihany koa ny lalàna mikasika ny isam-paritra ka tokony homena vahana ny fokontany satria any no fototry ny zavatra rehetra.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT