Ny miaramila no olana amin’ny krizy eto Madagasikara ka raha tsy ireo no resy lahatra sy mifanatona dia tsy hisy zava-banona izany eto, hoy ny tompon’andraikitra iray izay niangavy ny tsy hotononina anarana.
Nambarany fa mila mifandamina sy miverina manaraka ny fitsipi-pifehezany amin’ny maha tafika azy ny miaramila ka manome lanja ny andraikiny vao hivaha ny olana. Nahitsy ny filazany fa mila mifandamina aloha ny tafika ka izay andraikitra nankinin’ny firenena aminy no tokony hosahaniny manomboka eo fa tsy miditra na misahana politika izy ireo. Mba ho tena tandroka aron’ny vozona tokoa fa tsy aron’ny mpitondra ! Mba ho tena “Ho an’ny Tanindrazana” tokoa izy ireo satria izay no fototry ny tsy hivahan’ny krizy eto Madagasikara amin’izao fotoana.
Efa betsaka ary tsy nisy fifanarahana izay tsy natao sy nosoniavina hoy izy, saingy jeren’izy ireo fotsiny. Miezaka indray ny FFKM amin’izao fotoana saingy hatraiza no mety ho vitan’izy ireo, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Noho izany dia tsy maintsy ny “manam-basy” no manaiky sy manery ny mpanao politika hanatanteraka izay fifanarahana natao vao hilamina ny firenena ka na horaisin’izy ireo aza ny fitondrana ao anatin’ny fotoana fohy hametrahana izay lamina sy fifanarahana vaovao izay rehefa hita fa mahasoa ny firenena dia tokony hataon’izy ireo izany. Jereo hoy izy ny nataon’i Ejipsianina sy ny any Mali fa efa manomana sahady ny fifidianana izy ireo amin’izao fotoana.
Caïus RaharisonTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.