Actualités

Raharaha volamena tratra Ny minisitra aza samihafa no ambarany


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Miala bala ny sampan-draharaham-panjakana sy tompon’andraikitra ambony voakasika momba ilay raharaha

 

fahatrarana volamena 73,5kg tatsy Afrika Atsimo, dia ny ladoany eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola sy ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Samy milaza ho tsy maharaka sy tsy nanome alalana ara-taratasy. Ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (PAF) sy ny avy amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sisa no tsy niteny. Samy minisitra ao anatin’ny governemanta, saingy tsy mitovy ny voalazan’Atoa Fidiniavo Ravokatra naneho fa efa ny oktobra no tsy naato ny fanondranana volamena miala avy eto Madagasikara. Ny minisitera iadidian’Atoa Richard Randriamandranto nanambara fa ny volana aogositra no efa niato ny fahafaha-manondrana. Ny ao anaty governemanta aza mifandipatra sy tsy mitovy ny zavatra ambara amina toe-javatra iray goavana, izay endrika maneho fa tsy mandeha amin’ny laoniny sy tsy mirindra intsony ny fomba fiasan’ny mpitondra. Asa na hivoaka ihany ny marina na handeha ny fampandriana adrisa amin’ny endriny maro na koa ireo irakiraka ihany no halentika.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT