Actualités

Raharaha volamena 73,5kg Tsy nisy resaka intsony fa dia nangiana


  • Talata 13 Aprily 2021

Manitsaka ny faha-4 volana aty aorian’ny raharaha fahatrarana volamena 73,5kg tany Johannesbourg Afrika Atsimo

 

 

 

 isika amin’izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra hatreto ny tena marina momba io na efa nisy aza ny olona 13 nosamborin’ny Fanjakana teto Madagasikara, ankoatra azy 3 lahy voasambotra tatsy Afrika Atsimo. Ny 16 martsa izy telolahy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika narahina fepetra nosandaina vola 25 tapitrisa Ar teo ho eo avy, saingy fotoana vitsy taorian’izay dia nosamborin’ny “Interpol” indray noho ny didy fampisamborana iraisam-pirenena navoakan’ny fitondrana Malagasy. Tsy fantatra intsony ny tohiny taorian’io, fa ny fanazavana dia ny hoe: andrasana ny valin’ny fangatahan’ny fitondrana Malagasy amin’ny fampodiana ny volamena sy ireo telolahy. Ny 20 martsa raha tsiahivina no nanamafisan’ny Filoha Rajoelina, fa tena trafika no nisy. Nambara fa efa nomena toromarika amin’ny tsy maintsy hampodiana ny volamena ireo minisitra tompon’andraikitra ka tsy fahombiazana na “echec” ho an’ireo minisitra sy ny Fanjakana ny tsy fahatanterahanizany, hoy I Andry Rajoelina. Nolazainy ihany koa fa na ho aiza na ho aiza dia tsy maintsy eto Madagasikara no hiafaran’ireo telolahy. Tamin’io fotoana io no nitanisan’ny Filoha ireo orinasa maro nambarany fa tsy mamerim-bola (Rapatriement de devise), ka handraisan’ny Fanjakana fepetra. Navadika ho asa sa nijanona ho resaka ambony latabatra? Ny volamena 73,5kg moa izany, dia efa naman’ny adino tanteraka, tsy nisy tohiny, tsy nisy tatitra intsony,... Zara aza angamba sahirana sy variana amin’ny valanaretina sy fahasahiranana samihafa ny Malagasy. Raha mihemotra kely any aoriana, ny 07 oktobra 2020 ihany koa dia nolazaina ato anaty tatitry ny filankevitry ny Minisitra fa haverina eto ny volamena 25,5kg tratra tao Maorisy ny fiandohan’ny 2019 ka mba aiza ho aiza ny tohiny sa mba resaka natao hakana fom-bahoaka fotsiny ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT