Actualités

Raharaha volamena 73,5kg sy 49kg « Maro ny nangataka fahafahana vonjimaika »


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Manana olona arovana amin’ny raharaha volamena 73,5kg ny kabinetran’ny Maitre Willy Razafinjatovo, hoy ny mpisolovava isan’ny mpikambana ao anatin’izy io, ny Maitre Henintsoa Rajeriarison.

Efa ela moa, hoy izy, iny raharaha iny ary misy mihevitra aza hoe maty an-jambany any iny. Maro be ny olona natao fanadihadiana tao anatin’iny, izany hoe, tena nanao ny asany an-tsakany sy an-davany ny mpitsara ary nanao fikarohana lalina momba azy ireny, eny, hatramin’ny kaontin’izy ireny amin’ny banky. Isan’izany koa ireo antso an-tariby nataon’izy ireny. Avy eo moa nisy ilay resaka 49kg iny. Rehefa nojeren’ny fitsarana ilay izy dia mety misy olona na zavatra iraisana tao anatin’ilay raharaha. Mety ho izay no antony nahatonga ny fitsarana nanambatra ilay dosie. Izay no nampitarazoka ilay raharaha 73kg satria nipoitra tampoka ilay raharaha 49kg. Marobe ireo olona voakasik’ilay dosie ka nifandimby nangataka fahafahana vonjimaika daholo. Efa vita teo amin’ny mpitsara mpanao famotorana lalina na “juge d’instruction” kosa nefa ankehitriny ny famotorana. Azo heverina ho efa afa-po, araka izany, ilay mpitsara mpanao famotorana nandray ny dosie ary efa nanapa-kevitra izy handefa ny dosie ho tsaraina. Dosiena heloka bevava moa io ka noho izany tsy mandeha isan’andro toy ny dosie hafa. Anjaran’ny fitsarana no mametraka ny tetiandro hoe ho alefa manokana ve ny fitsarana azy io sa ho ampiarahana amina dosie hafa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT