Actualités

Raharaha volamena 73,5kg Niakatra ho 24 ireo voarohirohy, 15 no any am-ponja


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Tafiakatra 24 ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5kg tratra tatsy Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020.

Ny 15 amin’izy ireo no efa nidoboka am-ponja, araka ny fanazavana nomen’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ny PAC omaly. Mpiasan’ny ladoany, mpiasan’ny ACM izay nahitana ny Tale Jeneraly, mpiasan’ilay kaompania STA nisy ny fiaramanidina,… no mandrafitra ireo 24 tafiditra ao anatin’ny raharaha. Nambara kosa fa mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Afrikanina Tatsimo isika amin’ny fampodiana ny volamena, ary andrasana toy izany ihany koa ny valin’ny fangatahana fampodiana ireo telolahy mba hotsaraina aty Madagasikara. Enim-bolana aty aoriana tsy hita ihany izay vokatra. Andro vitsy taorian’ny nahatrarana ny volamena anefa, raha nisy ny fanambarana nataon’ireo Minisitra maromaro ao anatin’ny governemanta, dia nolazaina mihitsy fa atao izay hahatafaverenan’ny volamena sy ireo telolahy eto Madagasikara mialohan’ny 12 janoary 2021 fotoana voatoandro hihainoan’ny fitsarana ireo telolahy voalohany. Ny 20 martsa 2021 dia nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa efa nomena toromarika sy iraka ireo minisitra samihafa. Ny tsy fahatafaverenan’ny governemanta dia endriky ny tsy fahombiazan’ny minisitra na ny Fanjakana mihitsy, hoy I Andry Rajoelina. Aiza ho aiza ary isika izao momba iny raharaha iny? Tsy efa misy minisitra na olona ambony tokony hametra-pialana noho ny tsy fahombiazana ve? Aiza ny vokatra ho an’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Fitsarana, Fitaterana, Vola sy tetibola,…?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT