Mitohy hatrany ny fanangonam-baovao mikasika ny raharaha fanondranana antsokosoko ny volamena 73,5 kg,
hoy ny Zandarimariam-pirenena. Voasambotry ny Sampana mpikaroka heloka bevava an’ny zandary, ary naiditra am-ponja vonjimaika any am-ponja eny Antanimora ihany koa i Rakotondramanana Nestor antsoina hoe Tahola izay mpanao varo-maizina sy takalo-vola tsy ara-dalàna (businessman informel en devises) tetsy Analakely, ny andron'ny 09 martsa 2021, hoy ny fampitam-baovao ny alahady teo. Izy io no voalaza fa niray tsikombakomba sy namatsy volabe (devises) an'i Ben Hassan Salimo izay anisan'ny voarohirohy sy karohina fatratra amin'ity raharaha ity. Ara-tetikady manokana dia tsy namoahana filazàna fikarohana (Avis de recherche) i Tahola ka izao sarona izao. Rehefa avy natolotra ny PAC (Pôle Anti-Corruption) dia nahiditra etsy Antanimora. I Ben kosa dia efa anisan'ireo olona 7 namoahana didy fampikarohana. Re ankehitriny fa nahazo valisoa ireo olona izay manome vaovao ahafahana misambotra ireo izay voarohirohy, hoy hatrany ny zandary. Mazava ho azy fa atao ho tsiambaratelo sy harovana fatratra ny mombamomba ireo loharanom-baovao. Na misy aza ireo voasambotra, mbola tsy nisy ny vaovao ofisialy milaza hoe iza amin’izy ireo no tena tompon’ilay volamena? Tsy dia misy akony ihany koa ny fampodiana ny volamena, izay toa maneho fa tsy mahomby ny diplaomasian’ny Fanjakana Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.