Actualités

Raharaha volamena 73,5 kg “ Navoaka ny fonja ny Tale iray tao amin’ny STA ”


  • Alakamisy 25 Novambra 2021

“Raharaha « Volamena 73,5kg » : Navoaka tao am-ponjan’i Tsiafahy ny Tale iray tao amin’ny STA”, hoy ny famoaham-baovao nataon’I Patrick Raharimanana omaly.

 “Tsy mbola tafaverina eto Madagasikara mandrak’ity ny androany ilay volamena 73,5kg nisy nanondrana an-tsokosoko ka tratra tao Johannesbourg Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ihany koa ireo Malagasy telo lahy, nitondra io volamena io ka voatazona atsy Afrika Atsimo. Tsy mbola nisy raharaham-pitsarana nandeha mikasika ity raharaha ity. Ireo olona voatana am-ponja teto Madagasikara no manomboka mivoaka amin’izao.Taorian’ny Tale jeneralin’ny ACM, dia lehilahy iray, izay Tale tao amin’ny Services et Transports Aériens na STA, ilay kaompaniam-pitaterana anabakabaka tsy miankina, tompon’ny fiaramanidina niondranan’ireo olona telo nitondra ny volamena 73,5kg nankao Johannesbourg indray koa izao no navoaka tao Tsiafahy, fonja nitazomana ireo lehilahy rehetra voarohirohy tamin’ity raharaha ity”, hoy io mpampahalala vaovao amin’ny tambajotran-tserasera io. Nambarany fa eefa herinandro teo izay no nivoahany, nahazo fahafahana vonjimaika. Mbola anisan’ireo tavela ao Tsiafahy kosa ireo mpanamory roalahy nitondra ny fiaramanidina. Efa niverina eto Madagasikara ihany koa ilay vazaha tompon’ily orinasa STA, rehefa nialokaloka tatsy amin’ny nosy rahavavy tao anatin’ny fotoana nampamaivay ity raharaha fanondranana volamena antsokosoko ity. Hatreto, mbola tsy misy fitsarana tena mandeha, ny olona no misy havoaka izany raha zohiana amin’io. Vao andro vitsy izay no nilaza ny Minisitry ny fitsarana, fa miandry taratasin’ady ho tomombana tsara ireo raharaha goavana. Mety mbola misy olona karohina amin’ny raharaha volamena, izay mety ho eto, mety any ivelany,… raha ny fanazavana. Ny fanontaniana iray efa napetratsika fony nitatitra fa efa tafaverina eto ary efa mitsilabolabo etsy Ambatobe ilay tompon’ny STA dia ny hoe: nahoana no tsy mba voakitikitika izy? Raha tena nihevi-tena ho madio nahoana no nitsoaka vao nangotraka ny raharaha ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT