Niazo an’i Kaomoro omaly ny delegasionina Malagasy tarihin’ny Minisitry ny fitsarana Atoa Imbiki Herilaza, ny Tale jeneralin’ny ladoany Ernest Lainkana Zafivanona,
ny Lehiben’ny Birao Nasionalin’ny Interpol Kaomisera Jean Rostand Rabialahy. Isan’ireo nihazo any an-toerana ihany koa ny Lehiben’ny Sampana fikarohana bevava eo anivon’ny zandarimaria Kolonely Valona Tahina Ravelomanana, ny Talen’ny raharaha ara-pitsarana Rtoa Salohy Norotiana Randrianarisoa, ary ny tale jeneralin’ny raharaha politika eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Rtoa Alice N’Diaye. Momba ny raharaha volamena 49kg sarona tany amin’ny Seranam-piaramanidina Prince Saïd Ibrahim any Moroni Kaomoro ny 28 desambra teo moa no antony satria misy teratany Malagasy roa voasambotra, ary efa nambaran’ny manam-pahefana eto ny fangatahana an’ireo hotsaraina aty Madagasikara, raha toa ka nambara fa eo am-panadihadiana ny fihavian’ny volamena hoe: avy aiza marina? Ny tonia mpampanoa lalàna Kaomorianina izay efa naneho fa ny setpambra-desambra 2021 dia nahatratra 11 ny trafika efa nisy niainga avy teto Madagasikara-Kaomoro-Dubaï. Inona moa izany no tena andrasana amin’ity dia any Kaomoro ity ? Fampodiana ireo roalahy? Fampodiana ireo volamena? Ny tena andrasana ny fivoahan’ny mangarahara rehetra miainga eto an-toerana. Niainga tamin’ny fiaramanidina sa tamin’ny sambokely? Iza avy no olona niasa nandritry ny nivoahan’io entana io? Rehefa hita ireo dia tokony ho hita ny lehibeny. Raha mandeha ny tena famotorana dia hita daholo ny rafitra rehetra manodidina an’io. Inona ary izany no andrasana? Sa ho toy ny raharaha mikasika ilay 73,5kg izay tsy hita izay tohiny mandrak’androany, fa toa nijanona teo amin’ny mpanamory ny fiaramanidina sy ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ary mpiasa tsotra vitsivitsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny tena tompon’ny entana, ary ahiana ho toy izany ihany koa ity 49 kg ity. Andrasana izay ho vokatra entin’ireo iraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.