Actualités

Raharaha vola sandoka teny Alasora Tsarao araka ny tokony ho izy, hoy ny fianakavian’i Marcel R


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ireo vady aman-janaky Rakotomalala Marcel, ilay Raim-pianakaviana monina eny Alasora notazonina eny am-ponja nanomboka ny 26 Aprily lasa teo ka mandraka androany.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia voatondro ho mpanao vola sandoka ity Raim-pianakaviana ity. Raha araka ny fanazavan’ireo vady aman-janany nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly anefa dia tsy mpanao vola sandoka izany Rakotomalala Marcel. Manana milina off 7 izay fanaovana gazety izahay hoy izy ireo saingy loko tokana ihany no havoakany. Mampiasa io milina io izahay hoy izy ireo amin’ny fampandehanana ny orinasanay izay hanananay NIF sy Statistika ara-dalàna. Miantso ny mpitsara mba hitsara araka ny tokony ho izy ny PV nosoniavin-dRakotomalala Marcel araka izany ireo vady aman-janany ka tsy hihaino ireo karazana honohono mandeha fotsiny. Efa vita moa ny fanadihadiana ifotony momba ity Raim-pianakaviana ity ary efa eo am-piandrasana ny fitsarana azy ireo vady aman-janany ankehitriny. Tsiahivina fa tamin’ny datin’ny 23 Aprily ity Raim-pianakaviana ity no nalain’ny zandary tao an-tokantranony. 48 ora taorian’izany no notazonina, raharaha nitohy teny amin’ny fampanoavana avy hatrany ary tsy nijanona raha tsy teny amin’ny fonjaben’Antanimora.


Tsara ho marihina fa asa an-terivozona mandra-pahafaty no miandry ireo mpanao vola sandoka raha voaporofo fa tena nanao tokoa.
Pati
Legende : Ireo vady aman-janak’i Rakotomalala Marcel, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT