Tsy mitsahatra maneho ny heviny amin’ny fandaharan’ireo haino aman-jery roa ireo ny mpihaino sy mpijery ao Mahajanga manoloana ny mety hisian’ny fanakatonana ireo haino aman-jery roa tsy miankina sy be mpankafy ireo.
Ao no milaza fa hidina an-dalambe sy hanapotika ny haino aman-jery iray izay manohana ny fitondrana ny vahoaka rehefa mihatra io didy io. Raha tsiahivina dia noho ny fanitsahana ny maridrefin’ny Asecna ( agence de sécurité de l’aeroport ao Mahajanga) no antony tsy maintsy hanakatonana ireo haino aman-jery ireo. Miteraka fikorontanana, hono, ny fifandraisana eny amin’ny seraseran’io tambajotra miahy ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina io eny amin’ny habakabaka. Tsy mahalala izany anefa ireo vahoaka fa ny fandehanan’ireo haino aman-jery ireo ihany no fantany. Mahagaga ny maro fa an-taonany maro no nisian’ireo haino aman-jery M3TV-FM sy ny VIVA fa tsy mbola nisy ny fanitsahana ny maridrefy izany. Tato amin’ny repoblika fahefatra no milaza mahita ny fanjakana fa manitsaka ny maridrefy izy ireo. Misy ambadika politika ity fanakatonana haino aman-jery ireto ity noho ny tompon’izy ireo antoko hafa fa tsy ao amin’ny fitondrana ka hanaovana antsojay ny haino aman-jerin’izy ireo. Raha ny zava-misy dia tsy mbola nisy ny taratasy fahazoan-dalana ahafahana manokatra haino aman-jery eto Madagasikara fa saingy afaka nisokatra no tsy manara-dalàna ny haino aman-jery iray ao Mahajanga izay niteraka fimenomenonana ny vahoaka. Tokony ho io haino aman-jery io no akatona fa tsy ny efa teo aloha izay manara-dalàna. Mpomba ny fitondrana io haino aman-jery io ka entina atao fitaovana hanafenana ny tsy mety ataon’ny fanjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.