Nahanton’ny filankevi-panjakana ny naoty mandefa an’i Andriankinana Tsialofana hiasa any amin’ny hopitaliben’Antsiranana. Izay no vokatry ny fitoriana napetraky ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona.
Manoloana izany fandreseny teo amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izany dia mijanona miasa eo anivon’ny hopitaly HJRA ihany ity mpiara-mitarika ny sendikan’ny F3M ity. Tsy afa-po tanteraka amin’ny didy nivoaka anefa ny tenany fa mbola hametraka fitoriana faharoa mahakasika ny fanafoanana tanteraka io naoty io. “Tsy ekena intsony ny fanaovana tsinontsinona ny sendika izay miaro ny zon’ny mpiasa. Aoka hijanona hatreo ny fomba ratsy manenjika ny mpitari-tolona sendikaly” araka ny hafatra natsipiny an’ireo mpitondra isan-tokony raha nivoaka ny efitrano fitsarana. Raha tsiahivina dia nisy naoty nosoniavin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana ny 23 febroary 2011 izay mandefa an’i Tsialofana hiasa any Antsiranana.
Tsy nihazo ny toeram-piasana nandefasana azy anefa ity farany satria tsy ara-dalàna io didy io. Araka ny naoty ampitaina amin’ny sampandraharaham-panjakana rehetra nosoniavin’ny praiministra Camille Vital ny 11 febroary 2011 izay mbola nohamafisina ny 11 martsa 2011 tokoa mantsy dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny “décision réglementaire” raisin’ny lehibe na koa amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisina eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ihany no azo anaovana famindran-toerana mpiasam-panjakana. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity anefa dia tsy nisy mihitsy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny minisitry ny fahasalamana na dia fantany tsara aza fa tsy manan-kery ilay naoty navoakan’ny Sekretera jeneraliny.
Sary : Tsialofana, nivoaka ny efitrano fitsaran’ny Filankevi-panjakana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.