Tsy nahita mangirana teo anatrehan’ny filankevipanjakana mihitsy ny ministeran’ny fahasalamana.
Mbola resy fanindroany indray mantsy ity departemanta ity rehefa notorian’i Tsialofana Andriankinana, mpitarika ny sendika F3M ny didy navoakany ny 12 aprily lasa teo izay mandefa ity Paramed ity hiasa any Antsiranana faran’izay haingana. Nahanton’ny filankevi-panjakana nandritra ny fotoam-pitsarana omaly io fanapahana (décision) io, izay marihina fa novolavolaina tao anatin’ny hamehana. Iray andro monja mantsy dia vita fanamarinana teo anivon’ny ministeran’ny tetibola sy nandalo teny amin’ny “Contrôle de Dépenses Engagées (CDE)” ilay taratasy. Herinandro anefa farafahakeliny no faharetan’io dingana io.
Marihina fa efa nolavin’ity sampam-pitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ity koa ilay naoty voalohany tamin’ny 23 febroary 2011 izay tsy ara-dalàna eo anatrehan’ny lalàna. Nisy mihitsy moa raha tsiahivina ny naoty nosoniavin’ny praiminisitra Camille Vital ny 11 febroary 2011 izay mbola nohamafisina ny 11 martsa 2011 milaza fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny “décision réglementaire” raisin’ny lehibe na koa amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisina eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ihany no azo anaovana fifindran-toerana mpiasam-panjakana. Hitady hevitra hafa haminganana an’i Tsialofana mba hahamaty momoka ny tolona sendikaly tarihiny indray ve ny ministera ? Ho an’i Tsialofana dia mitohy ny tolona araka ny nambarany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.