Actualités

Raharaha Tsiafahy Misy be galona voatonontonona


  • Talata 26 Jolay 2011


Jeneraly iray no voatonontonona ho ao ambadiky ny resaka fakana ireo manamboninahitra tazomina am-ponja eny Tsiafahy. Araka ny fantatra dia nokasaina hotanterahina ny sabotsy 23 jolay teo izy ity saingy nandraisan’ny fanjakana fepetra, izay nandefa miaramila teny amin’ny manodidina an’ity fonja ity hanara-maso sy hanamafy ny fiambenana. Ny tsiliantsofina ihany no nahafantarana fa nokasaina hafindra toerana ireto manamboninahitra voafonja ireto ka amin’izay fotoana hamindrana azy ireo izay dia misy mihitsy ny tetika hamono ho faty azy ireo ka mody hatao hoe nikasa ny hitsoaka izy ireo amin’izany. Vetivety foana dia niparitaka ny feo mikasika izany rehetra izany teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahalala tsara ireo olona voatonontonona ao anatin’ity tetika maloto ity moa ny havan’ireo manamboninahitra ireo, ary nilaza fa tsy hipetra-potsiny amin’izao raha misy tokoa izany teti-dratsy izany ary manaitra ny ray aman-dreny rehetra eto Madagasikara izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT