Mijoro hatrany ho mpiaro ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara,
hoy ny filohany, Estelle Andriamasy, tetsy amin’ny Villa Riant Val Androhibe nandritry ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ny 8 martsa teo. Mbola maro ireo zon’ny vehivavy voahitsakitsaka eto. Misy koa ireo efa isitrahana saingy betsaka moa ny zon’ny vehivavy ka antony hitolomanay isan’andro izany. Isan’ny tena mampikaikaika ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Tokony ho saziana izay manao izany. Eo koa ny zo hisitrahana ny harena voajanahary toy ny fananan-tany, ny fahafahana manana kara-tany, ny fahafahana mizaka fananana. Mbola maro ny vehivavy tsy afa-misitraka izany noho ny tontolo misy azy. Tsy maintsy mijoro amin’ny alalan’ny fanabeazana any an-tsekoly, haino aman-jery, manam-pahaizana manokana momba izany izahay. Maro ny vehivavy miaina fanolanana, miaina fanolanana avy amin’ny fianakaviana ihany. 4%n’ny tranga ihany anefa hatreto no tonga eny amin’ny fitsarana. Mbola maro no dikan’izay ireo tsy maty manota manao ilay herisetra. Efa mikitika ary manao ankisisika amin’ny resaka lalana momba izany sy ilay resaka tany io mihitsy izao ny CNFM ary hanao tolo-dalana vitsivitsy momba io resaka tany io, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.