Taorian'ny nahasamborana mpanao trafika malagasy telo tany Afrika atsimo
nitondra volamena 73,5 kg dia aty Madagasikara ny mason` izao tontolo izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana herinandro aty aoriana. Manontany tena ny rehetra momba ny fivoahan` ireo harem-pirenena ary indrindra ny fanomezan-dalana nomena azy telo lahy ireo hiala an`Ivato ho any Toliara alohan' ny fifandraisana mivantana mankany Johannesburg Afrika Atsimo. Marihana fa mbola voafetra ho an'ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy-Be ireo sidina iraisam-pirenena amin`izao fotoana izao. Ny ACM, sampandraraha misahana ny fitaterana anabakabaka aloha dia tsy afa-bela amin`ity raharaha ity. Torak`izany koa ny kaompaniam-pitaterana STA Aviation Madagascar. Ho an`ity farany moa dia niparitaka tamin`ny tambajotra serasera ny sarin`ireo Malagasy dimy miakatra amin` ny fiaramanidin'ny STA. Vokany, mpiasa dimy eo anivon` ity orinasa ity no naiditra am-ponja taorian` ny fanadihadiana: eny amin`ny fonjaben`Antanimora, Rakotoarivelo Maholiarimino Riana (agent commercial STA). Eny Tsiafahy kosa, Feno Valérie (responsable opération STA), Randriamparany Tiana Minosoa (directeur technique STA) , ary ireo mpanamory mpiralahy Rakotomalala Gaël sy Rakotomalala Kasaina. Sao mba tokony ho jerena manokana ihany ny mahakasika ity kaompania ity. Raha ny zava-misy momba ity raharaha ity mantsy dia maro ireo porofo entina iampangaina ny STA Aviation Madagascar. Raha ny lojika dia tokony tsoahina ny fahazoan-dalana misidina (permis d`exploitation) an`ity orinasa ity satria miray tsikombakomba amin` ireo mpanao ratsy ity izay manondrana an-tsokotsoko ny harem-pirenena izay sazin` ny lalàna mafy. Maninona anefa ny kaompania Madagasikara Airways, izay voalaza fa tsy ara-dalàna ny antontan-taratasiny ka naato ny Certificat de Transport Aérien (CTA), araka ny naoty nivoaka ny 24 febroary 2020 ary mbola nanamafy moa ny ACM ny volana jolay 2020. Loharanom-baovao manaraka akaiky ny raharaham-pitsarana no nanambara fa tsy azo ihodivirana ny famotopotorana an'ity orinasa STA ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.