Anio 01 febroary 2021 no fotoana voatondro hitsarana ireo teratany Malagasy 3
lahy nanao ilay trafikana volamena 73,5kg tratra tatsy Afrika Atsimo ny 31 desambra lasa teo. Ny 12 janoary no tokony notsaraina izy ireo, fa nihemotra. Olona maro no efa nidoboka am-ponja vonjimaika, ary nisy ny olona 7 vaovao namoahana didy fampisamborana ny zoma 29 janoary lasa teo. Tsy tanteraka aloha izany ny fampodiana azy ireo hotsaraina aty Madagasikara hatreto, ary torak’izany ihany koa ny volamena. Miandry izay ho vokatry ny fitsarana atsy Afrika Atsimo ny rehetra hoe: hivoaka ve ny tena marina momba io raharaha io? Hisy hirika hivoahan’ny tena tompony ve sa ireo sokajian’ny mpanohitra ho pirina kely ihany hifafa ny kihony any Antanimora sy Tsiafahy. Efa tafiditra amina fanadihadiana iraisam-pirenena sao sanatria misy ifandraisany amina famatsiana ny asa fampihorohoroana ity raharaha ity. Hisy mpanao fanadihadiana frantsay ihany koa voalaza fa ho avy aty Madagasikara hanao fanadihadiana momba io raharaha io. Nanao ampamoaka ny Minisitra teo aloha Tabera Randriamantsoa, fa efa nitory olona akaiky ny Filoha Rajoelina noho ny ahiahina trafikana volamena ny Pr Zafy Albert tamin’ny tetezamita. Io olona io, izay notonon’ny Africa Intelligence fa namana akaikin’i Biny Gilbert, ilay tompon’ny Kaompania STA misy ilay fiaramanidina 5R-ASB. Tsy miteny isika hoe tafiditra ao anatin’ny raharaha na tsia ireny olona ireny, fa kosa tsy azo hamaivanina ny karazana ampamoaka, izay tsy nisy fandisoana aloha hatreto, na fianakavian’ny filoha aza no voatonona. Raha nilaza sy nanamafy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard ny 07 janoary fa sidina an-tsokosoko, dia nahazo alalana ara-dalàna ny fiaramanidina matoa afaka nisidina sy tonga tany Afrika Atsimo. Navela nivoaka soamantsara an’i Madagasikara ingahy Gilbert Biny tompon’ny fiaramanidina,… Avo lenta sy sangodim-panina ny raharaha, ka andrasana izay ho tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.