Actualités

«Raharaha Tiko» Miditra an-tsehatra ny iraisam-pirenena


  • Sabotsy 11 Jona 2016

Hifanome tanana amin’ny fanatsarana ny tanŕnan’Antananarivo ny antoko Tiako i Madagasikara. Maro ireo tetikasa fampandrosoana azo tanterahana miaraka amin’ireo mp

 

iara-miombon’antoka samihafa hamerenana ny hasin’ny renivohitr’i Madagasikara nandritra ny atrikasa notanterahana teny amin’ny Espace Dera Tsiadana, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM Ravalomanana Marc. Fotoana ihany koa io nanehoan’ny filoha teo aloha hevitra mikasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Nisy ny tafa fohy nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana (TT) : Nandalo teto ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena, inona no azonao ambara ?

Marc Ravalomanana (MR) : Mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny FMI miaraka amin’ny fanampiana azony atao ny tenako. Tsy tokony hosaziana mantsy ny Malagasy 22 tapitrisa na misy aza ny tsy fahaiza-mitantana sy ireo olana hafa. Mila hapetrak’izy ireo tsara kosa ireo fepetra na pitsopitsony samihafa ahafahan’izy ireo manara-maso tsara ny fampiasam-bola. Ohatra azo raisina ny sandan’ny vola «euro». Tena ho sahirana rahateo isika raha tsy mahazo io tohana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola io.

TT : Mivoaka ny didy fampisamborana ny loholona Lylison René de Rolland, ny hevitrao ?

MR : Raharaham-pitsarana io ka tsy afaka ny hitsabaka ny amin’izay ny tenako. Mahafantatra ny tokony hatao rahateo ny tompon’andraikitra. Mihevitra kosa anefa aho fa ny fitoniana sy ny filaminana no tena zava-dehibe ho fampandrosoana ny firenena.

TT : Ahoana kosa ny vaovao manodidina ny orinasa Tiko ?

MR : Efa lasa lavitra be ny mikasika io. Efa mandray an-tanana sy mijery azy iny ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Efa niantso mpisolovava iraisam-pirenena ny orinasa satria tondrozotran’ny Sadc io. Hivory any Swaziland ny vondrom-paritry ny fampandrosoana ireo firenena ao amin’ny tapany atsimon’i Afrika, ka ho hita eo ny tohiny.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT