Actualités

Raharaha TIKO Hivoaka anio ny didim-pitsarana


  • Zoma 04 Mey 2012

Hafanafana indray ny tanànan’Antsirabe amin’ity anio ity noho ny raharaha TIKO.

Raha ny fantatra mantsy dia ity anio zoma 04 mey ity no hivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Raha ny re siosio dia tsy nahafaly ireo tantsaha mpamokatra manodidina ny 20.000 eo ho eo izay efa niara-niasa tamin’ity orinasa ity ny fahenoana fa anaovana antsojay indray ny tompony izay nikasa hanokatra ny Tiko.

Izy ireo anefa mba efa nanantena fa hisokatra indray ny famatsiana entana ny orinasa ka mba hisy fidiram-bola amin’izay izy ireo. Araka izany dia fantatra fa maro izy ireo no heno fa ho avy hitokona eo anoloan’ny Lapan’ny fitsarana Antsirabe amin’ity anio ity ho fanoherana ny mety ho fanakatonana na fanagejana ny orinasa. Akoatra izay moa dia ho tonga maro ihany koa ireo mpiasa manodidina ny 3.000 mahery izay efa velom-bolo tamin’ny fahatongavan’i Tojo Ravalomanana, izay nilaza fa hiasa amin’izay izy ireo kanefa dia izao re siosio fa ny hanakatona izany no hevitry ny fitondrana FAT.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT