Actualités

Raharaha TIKO Hiakatra fitsarana indray


  • Alarobia 16 Mey 2012


 Hanamarika ity andro anio ity ny fitsarana ny raharaha Tiko. Raha tsy misy mantsy ny fiovana amin’ny ora farany, dia hivoaka amin’ity alarobia 16 mey ity ny didim-pitsarana eo anivon’ny fitsarana ambony mikasika fanohanana nataon’ny orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fampiharana ny “ordonnance” azon’ny foibem-pitondrana ankapobeny momba ny hetra manery ny hamohana ny orinasa ao Andranomanelatra mba hanagejana ny fananana hanefana ny hetra tokony haloan’ny orinasa.

Votoatin-dresaka tao amin’ny Magro Behoririka omaly ity fitsarana mikasika ny orinasa Tiko anio ity. Tsy mbola nisy orinasa malagasy nampiasa olona maro toy ny Tiko ary raha ny halatra sy ny fandrobana natao tamin’io orinasa io no atotaly dia ny fanjakana no tokony handoa, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Ralaimampisainarinony Manoela. Na izany aza dia hentitra ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rabenatoandro Lanto, fa hotatazana izay didy havoakan’ny fitsarana eo satria ny Tiko tsy maintsy miasa ary ilain’ny vahoaka toy ny filoha Marc Ravalomanana. Orinasa tsy miasa ve afaka mandoa hetra, hoy ity nametraka fanontaniana. Ny fiara anenjehana vahoaka aza misy an’ny Tiko, hoy izy ary raha fitsarana ambony izany dia tokony amin’ny volana jona na jolay 2012 any vao mandeha ny raharaha fa tsy vetivety tahaka ity. Namotika ny toe-karena ny tsy fiasan’ny Tiko ary vao mainka tsy hitondra fitoniana raha ratsy ny didy hivoaka eo, hoy hatrany Rabenatoandro Lanto. Fa nomarihin’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Zafilahy Stanislas fa tsy mbola nanda nandoa hetra ny Tiko. Vinavinao ny rava dia ataovy ny kajy fa ny fanjakana no hamerina vola ho an’ny Tiko, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT