Actualités

Raharaha « Tia shop » «Tena nanao hosoka ilay sinoa…»


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Tonga ary efa eo am-pelatànan’ny mpitory ankehitriny ny valin’ny fanadihadiana, nanamarinana ny fanomezam-pahefana nampiasain’ny teratany sinoa antsoina hoe Gu Feng,

nentiny nibodoana trano nohofain’i Liu Zhuo, mpiara-miasa taminy. Nanda ny fivoahan’io taratasy io avy ao aminy mantsy ny «cabinet de notaires» any Chine voalaza fa nanaovan’i Liu Si Ran, mpandova an’i Liu Zhuo, raha ny vaovao voaray. Voalaza fa nisy ny fampiasana taratasy hosoka tamin’ny raharaham-pitsarana nataon’i Gu Feng izay nahazoany rariny ka nibodoany ny trano na dia tsy nanaiky hanavao ny fifanarahana intsony aza ny tompony tamin’ny 2018, nialohan’ny nahafatesan’i Liu Zhuo. Voalaza ihany koa ny fisiana hosoka tamin’ny fanamarinana io taratasy io natao teto Madagasikara satria tsy fitomboka sy sonian’ny tomponandrakitra ao aminy akory ireo nampiasaina tamin’izany, araky ny fanazavan’ny kaominina nolazaina fa nanao izany. Tsiahivina fa voarohirohy tamina raharaha ara-pitsarana maroloha i Liu Zhuo, mpanofa ny trano “Tia shop” ka voaroaka hiala teto Madagasikara saingy tafajanona tany Nosy Be noho ny fikatonan’ny sisin-tany tamin’ny fotoan’ny valanaretina covid-19 ary matin’io aretina io mihitsy rehefa niverina teto an-drenivohitra. Sady niady sy nanao herisetra tamin’ireo Malagasy mpivarotra izay nampanofainy io trano nohofainy io i Liu Zhuo no tsy nety nandoa hofan-trano an-taona maro nefa nibodo io trano io ka nahatonga ny fitorian’ny tompony azy sy ny tsy fanohizany ny fifanarahana izay tapitra tamin’ny 2018, hoy ny fanazavana. Nokasain’ny tompony ho tapahana ihany koa ny fifanaraha tamin’ny trano “Tia shop” tao Tsaralalàna izay tokony hifarana amin’ny 2023 izao saingy notorin’io sinoa io izy ary nampidiriny am-ponja tamin’ny fomba tsy nazava. Tsy misy volan’ireo sinoa niasa akory tao amin’ny “Tia shop” fa ny hofan-trano raisiny amin’ny mpivarotra ampidiriny ao fotsiny no andoavany ny hofany any amin’ny tompony nefa mbola tsy tanterahany ihany koa ny nifanarahana, hoy hatrany ny fanazavana. Manantena ireo Malagasy mahatsiaro ho lasibatra fa mba hitsimbadika manomboka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mikasika ity raharaha ity hampanjakana ny tan-dalàna.
Toky R
Légende : Misy ny loharanom-baovao milaza fa karohina i Gu Feng amin’izao fotoana izao

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT