Amin’ny 16 aprily ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha ady tany tany Analavory Miarinarivo niampangana olona miisa 8, ny delegen’ny Ben’ny tanŕnan’ny Kaominina Analavory, ny filoha nasionaly sy filoham-boninahitry ny HAFARI Malagasy ho mpanalabaraka an-gazety, mpandrava barazy ary nandrahona olona.
Tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana natao ny andron’ny 26 martsa teo ny tenako, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny HAFARI, satria tsy misy fanajana lalàna ny amin’ny fampiantsoana nomena ahy, tsy fiantsoana avy amin’ny fitsarana no tonga tany amiko, tsy nohenoina ny vavolombelona nahita hatramin’ny voalohany ny zava-nisy.
Hisaorako manokana anefa ny filohan’ny fitsarana any Miarinarivo izay tena nanao fanadihadiana lalina mikasika an’ity raharaha ity. Ambarako, hoy izy, fa hekeko an-tsakany sy an-davany ny didim-pitsarana mivoaka eo na dia fantatra aza fa fikasana tsotra izao hampidirana am-ponja ahy no anton’ity fitoriana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.