Actualités

Raharaha Socolait Notanana am-ponja ilay tale ara-barotra


  • Alarobia 06 Aprily 2011


Omaly hariva efa maizina vao vita ny fanolorana teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha fanodinkodinam-bola manodidina ny iray miliara ariary tao amin’ny orinasa Socolait. Olona fito no voarohirohy rehefa nametraka fitoriana ireo «clients» an’ity orinasa lehibe ity. Anisan’izany ilay ramatoa tale ara-barotra nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, andro vitsy lasa izay. Avy any Maorisy ity ramatoa ity nijery ny zanany izay marary voa ka mila manao «dialyse» matetika. Izy mivady miaraka amin’ireo “caissiers” miisa roa no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona telo hafa. Nisy olona ambony avy eo anivon’ny FAT nanao izay azony atao tamin’ny fanelanelanana tamin’ity raharaha ity saingy mafy noho ny mafy ihany koa ireo mpitory ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja izao.

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT