Mitombo andro aman’alina ny fiampangana ilay ramatoa tale teo anivon’ny orinasa Socolait. Araka ny loharanom-baovao dia nalain’ny zandary teny amin’ny fonjan’Antanimora ity ramatoa ity hofotorana mikasika ny fisandohana, fampiasana hosoka ary fivadiham-pitokisana. Ity fitoriana ity dia ankoatra ilay raharaha nahakasika ity ramatoa ity teny amin’ny polisy ka nitarika ny famonjana azy. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no nosamborina azy, roa herinandro lasa izay, raha nigadona avy any Maorisy. Noho ny fitoriana vokatry ny tsy fahitana vola manodidina ny iray miliara ariary an’ireo mpanjifa ambongadiny tao amin’ny orinasa Socolait no anton’ny fisamborana tamin’izay. Rehefa vita ny famotorana ilay ramatoa dia naiditra am-ponja vonjimaika izy mivady sy ny mpandray vola roa tao amin’ny Socolait. Izao mitatra izao ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.