Niandry ihany ka niandry ireo fianakavian’ny maty sy naratra tamin’ny fanavotana ny minisitra Nadine Ramaroson sy ny delegasiona saingy tsy nisy ny fankasitrahana avy amin’ny FAT.
Nampiaka-peo izy ireo ary nanangana fikambanana mihitsy mba hanamarihany an’izany sy mba hijerena izay fomba hanampiana ireo kamboty sy very havana. Ankoatra ny fisian’io fikambanana io dia fantatra fa nametraka fitoriana niaraka ireo fianakaviana. “Vono olona avy amin’ny fipoahana” no nitondran’izy ireo izany fitoriana izany. Tafiditra ao anatin’ny enjehan’ireto fianakaviana maromaro ireto ny “agence de voyage” sy ny mpanofa ilay sambo “Black Shark”. Ankoatra izay dia milaza ho diso fanantenana tanteraka ireo olona ireo, ny fianakavian’ny maty izany, satria tsy mba nisy fankasitrahana ireo maty mihitsy.
Amin’izy ireo dia tsy ampy ny famangiana fotsiny ny razana, toy izay nataon’ny FAT, fa mba mila mari-pankasitrahana ireo namoy ny ainy ireo. Ny antony mantsy, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana hatrany dia olona namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana izy ireo. Minisitra sy ny delegasionany no navotana ary niara-maty tamin’ireo olona ireo ny mpanavotra. Zava-dehibe izany, hoy ireo fianakavian’ny maty tao Soanierana Ivongo. Hatreto aloha dia dimy tamin’ireo mpanavotra tao Soanierana Ivongo no namoy ny ainy ary valo hafa naratra mafy. Manohana ny fikambanana sy ireo olona ireo ny mpikamban’ny parlemantan’ny tetezamita maromaro avy any an-toerana.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.