Actualités

Raharaha Soamahamanina Nanao ampamoaka ny depioten’Arivonimamo


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Nambaran’ny depiote Rakotomanjato Rodin voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo, araka ny taratasy nasehony ny mpanao gazety teny

Tsimbazaza fa tsy “carreau” miisa 7 izany fotsiny  no nanomezana alalana ny orinasa Sinoa Juaxing sarl hitrandraka ireo harena ankibon’ny tany misy ao amin’ity toerana ity toy ny volamena, volafotsy … Nambarany koa fa avy amin’ny fijerena ny “Cahier de charge” nataon’ity orinasa ity tamin’io fanomezan-dalana avy amin’ny BCMM (biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara) fa ho setrin’ny fanapahan’izy ireo ny alan-tapia ao amin’ity toerana ity dia hamboly tapia any amin’iny faritra iny mitovy amin’izay nosimbainy ny Juaxing. Marihana anefa, hoy ity depiote ity fa afaka 500 taona vao mamokatra ny voany tahaka ny azony ankehitriny ireo alan-tapia ireo. Tena sarotra noho izany ny inoana fa ho tafaverina araka ny tokony ho izy aorian’ny 40 taona hitrandrahan’ny Sinoa ny harena eny Soamahamanina ny alan-tapia ka aoka tsy horebirebena lava izao ny vahoaka.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT