Actualités

Raharaha sambo Francia Aiza ny tohiny sa efa nalamina ?


  • Talata 02 Aogositra 2022

Misahotakotaka ny ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluvial) ary ratsy toerana noho ny antony maro, toy ny raharaha kolikoly, fifanarahana tsy nifampierana,…

ny Tale Jeneraly Capitaine de vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond. Takian’ny sendikan’ny mpiasa ny fialany. Eo ireo antony nolazain’izy ireo fa mba nankaiza tokoa ny raharaha Sambo Francia? Isan’ny raharaha mahakasika ny APMF mantsy ilay faharendrehan’ny sambo Francia ny 20 desambra 2021, izay namoizana ain’olona manodidina ny 80 isa. Valo volana aty aoriana isika izao ka nankaiza ny tohiny? Ilay Kapitenin’ny sambo ilay lasa nitsoaka hatramin'izao tsy hita sy tsy re ny tohiny. Ny mpiasan'ny APMF tafiditra nanao tandrevaka tamin'iny voalaza fa vao mainka nomena tombodandahiny hiasa aty Antananarivo nefa tany Sainte Marie no niasa taloha. Olona 13 no naiditra am-ponja vonjimaika tany Fenoarivo Atsinanana ny fiandohan’ny febroary 2022, ary toa tapitra hatreo. Nisy mpiasa 1 naiditra am-ponja vonjimaika tany Mananara, efa miriaria any, raha ny vaovao azo. Tokony hanokatra “enquête nautique” momba an'iny loza iny ny APMF. Hatramin’izao tsy te hita taratra izany, hoy ny fanamarihana. Be dia be anefa ny fandikan-dalàna na “infractions maritimes” tamin'iny loza iny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT