Actualités

Raharaha Remenabila Henatra ho an’ny tafika malagasy


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Niompana tanteraka tamin’ny filazam-baovao ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe omaly alarobia 04 jolay tolakandro.

 Nolazain’Atoa Rabemizana Solo fa henatra ho an’ny tafika malagasy ny raharaha Remenabila. Araka ny tatitra nentiny ihany dia tsy eto Madagasikara intsony no malaza ity resaka ity fa hatrany ampitan-dranomasina satria ny vaovaon’ny RFI (Radio France Internationale) mihitsy no niresaka azy ny talata hariva teo ka nitateran’io radio frantsay io fa tsy mbola azon’ny tafika Malagasy ihany hatramin’izao ny mpangalatra omby iray any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Notanisainy tao avokoa ireo resaka avoakan’ny tafika sy ny mpomba ny fitondrana mahakasika ity raharaha ity, izay mitory fahalemen’ny tafika amina ady tsy dia mbola goavana akory. Henatra ho an’Antsirabe ihany koa, hoy Rabemizana izay toerana fanofanana ireo manamboninahitra ao anivon’ny tafika ka nahatonga azy tsy niahotra na natahotra nitantara izany tamin’ireo mpitolona tao amin’ny Magro.

Ankoatra izay dia notateriny ihany koa fa mbola henatra ho an-dRajoelina ny resaka nataon’Atoa Louis Michel tao amin’ity onjam-peo frantsay ity mahakasika ny nandraisan’ny Vondrona Eoropeanina ny Praiminisitra Omer Beriziky. Nolazain’izy ireo fa tsy hametraka fitokisana amin’Ingahy Rajoelina mihitsy ny Vondrona Eoropeanina. Akoatra izay dia tsy nihambahamba ireo nandaha-teny nilaza fa akaiky ny hifaranan’ity tetezamitatra tantanin’ny FAT ity ka hiova avokoa ny drafitra hanarenana an’i Madagasikara. Tsy hisy masoandro hisokatra ho an’i Madagasikara izany raha tsy tafody eto ny Filoha Marc Ravalomanana ary tsy afa-mandositra ny fihaonana aminy intsony i Andry Rajoelina. Fa nandritra ity fihaonana ity ihany koa no nitateran’Atoa Frederick ireo tsiambaratelo izay voalaza fa nokotrehin’ireo mpanjanatany niaraka tamin’ireo mpanongam-panjakana teto Madagasikara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT