Taorian’ny fitarainana maro voarain’ny Vaomieran’ny fitaterana sy ny famantarana
ny toetr’andro dia nanolotra tolo-pehin-kevitra ny filohan’io vaomiera io Atoa Rajoelina Seth entina hanangana vaomiera mpanao famotorana mahakasika ny olana misy eo amin’ny Fanjakana sy ny Ravinala Airports. Rehefa nolanian’ny Solombavambahoaka izany tolo-pehin-kevitra izany dia natsangana ny vaomiera mpanao famotorana ka lany ho filoha hatrany Andriamatoa Solombavambahoaka Rajoelina Seth. Araka ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena dia ireo vondrona parlemantera tsirairay IRD, TIM, GPR ary ny vondrona tsy miankina no hanolotra ny anaran’ny mpikambana ao anaty vaomiera.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.