Actualités

Raharaha Ranovisy Antsirabe Nivoaka ihany ny didim-pitsarana


  • Alarobia 10 Jolay 2013

Nivoaka ihany ny didim-pitsarana mahakasika ny Ranovisy Antsirabe rehefa ela ny ela. Ny marainan’ny talata 09 mey tokoa moa no voatondro fa hivoahan’ity didy ity ka dia izao tafavoaka izao ihany.

Raha ny valin’ny fitsarana dia voalaza fa afaka madiodio ireo olona voarohirohy izay ahitana ny filohan’ny Filankevitry ny tanànan’Antsirabe, mpanao gazety roalahy ary mponina roa tao Ampatana. Sazy mihantona 5 taona, miampy lamandy 5 tapitrisa Ariary kosa no nahazo ny lehiben’ny Fokontany Ampatana tamin’iny raharaha iny. Raha tsahivina dia olona maro no voampanga tamin’ity raharaha ity vokatry ny fihetseham-bahoaka tamin’ny 22 novambra 2012 nitaky ny fampidinana ny saran’ny fakana ranovisy ho 100 Ariary, izay nakarin’ny mpitantana azy teo aloha ho 300 Ariary ka nahatezitra ny mponina ary nahatonga ireo mponina tamin’izany handrava ireo fefy sy ny fitaovana teo.

Tsy zakan’ny mponina ihany koa ny filazan’ity mpitantana fa “Propriété Privée» ny Ranovisy. Izay no niantombohan’ny disadisa ka niafara hatreny amin’ny fitsarana mihitsy ny raharaha. Tsy niatrika ny famoahana didy ny mpitory. Raha ny fantatra dia hitory ity tompon’andraikitry ny Ranovisy teo aloha ity ireto olona notoriany ireto noho ny fanalam-baraka natao azy ireo, hitory koa ny mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe noho ny fisandohana andraikitra nataony ihany. Tantara vaovao indray iny izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT