Actualités

Raharaha “Radion’ny Gasy” Amin’ny 20 septambra ny fitsarana


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Ny 20 septambra izao no fantatra fa hiakatra fitsarana ny raharaha “Radion’ny Gasy”. Olona dimy amin’izao fotoana izao no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary mbola voatazona any Tsiafahy sy Antanimora.

 Manantena izy ireo fa tena hahaleotena ny fitsarana amin’ity talata 20 septambra ity. Tsy izy ireo ihany koa no miandry ity fotoam-pitsarana lehibe ity satria na ireo mpandala ny ara-dalàna aza dia miandry izay daholo ihany koa. Raha tsiahivina dia ny sabotsy 19 febroary maraina be tamin’ny 2 ora no nosamborin’ny FIS, ny DST ary ny mpiasa avy amin’ny OMERT teny Fort Duchesne ny mpanao gazety iray.

Taorian’io dia nitatra tamin’ny fisavana teny amin’ny Toby fitaizana zaza kamboty an’ny Fjkm eny Ambohipotsy ny raharaha. Hatramin’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Lala Rasendrahasina aza, izay tsy teto an-toerana tamin’io fotoana io, dia nokasaina hosamborina mihitsy rehefa tafaverina an-tanindrazana noho ny fanendrikendrehana. Nihemotra tamin’ny ora farany anefa ny DST ka tsy sahy na ny nampiantso ity pasitera ity aza. Ny tao amin’ny DST ihany anefa no naneho ampahibemaso fa notononin’ny iray tamin’ireo voampanga ny anaran’ny filohan’ny FJKM tamin’ny famotorana. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT