Raharaha Nosy-Be

> Tafakatra 26 no voasambotra


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013


Olona 6 no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Nosy Be, omaly alahady, hatreto izany dia tafakatra 26 no olona voasambotra ary mety mbola hitombo aza io tarehimarika io, tohin’ilay famonoana sy fandorana vazaha roa sy Malagasy iray ny herinandro lasa teo. Tsy azo atao ny mivoaka sy mifamezivezy amin’ny alina any an-toerana, tsy tena misy mbola sahy mivoaka ny tranony noho ny zava-nitranga ireo teratany vahiny na dia azo atao aza hoe efa milamina ny tanàna. Misy ny mponina velon-taraina amin’ny fihetsika ambaran’izy ireo fa mahery vaika ataon’ireo mpitandro filaminana, ireto farany anefa dia manamafy fa manao ny asany ara-dalàna izy ireo, ary ny olona tena ahiahiana fa nandray anjara tamin’ilay famonoana sy fandorana olona ihany no nosamborina. Efa natomboka ny zoma teo ihany koa ny fanadihadiana momba ilay ambara fa fangalarana taovan’olombelona any Nosy Be, ka andrasana izay mety ho vokatr’izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT