Actualités

Raharaha Norbert Razafimbelo Tsy mety manasonia ny firaketana an-tsoratra ny DST ?


  • Talata 06 Septambra 2011

Omaly no tokony ho natolotra ny fampanoavana i Norbert Razafimbelo izay fantatra amin’ny anarana hoe Ra-Norbert, raha araka ny filazan’ny gazety mpiseho isan’andro iray.

Tsy tontosa anefa izany noho ny antony izay ny mpanao fanadihadiana irery ihany no mahafantatra azy. Raha ny filazan’ny vadiny anefa dia efa vita ny fanadihadiana ary efa nakatona ny dosie. Raha ny fijery azy dia hotaperin’ny DST mihitsy ilay fetr’andro (15 andro) izay hahafahana mitazona an’i Norbert momba ny fanadihadiana azy. Fanohintohinana ny filaminana anatiny avy amin’ny fanomezam-bola ny miaramila mba hivorivory sy hikononkonona fanonganam-panjakana raha hiverenana kely ny antony nisamborana sy nitazonana azy. Raha ny filazan’ny vadiny hatrany dia 12 andro omaly izay no nitazonan’ny DST azy teny amin’ny biraon’ny BC etsy Anosy.

Raha ny tsiliantsofina re, mety manamarina an’izany rahateo ny fanamarinan-dRtoa Isabelle vadiny, dia tsy mety manao sonia ny firaketana an-tsoratra aloha ny DST hatreto. Raha izay mantsy no vita dia avy hatrany dia afaka natolotra ny Fampanoavana io filohan’ny antoko Favoria izay fikambanan’ny ambany tanàna io. Ny zoma izao izany, farahafaratsiny ny sabotsy, no tsy maintsy hitondrana an’ity lehiben’ny ambany tanàna ity eny anivon’ny Fampanoavana

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT