Hatreto, mbola tsy naharenesam-peo sy tsy naneho hevitra momba ilay toe-draharaha voalaza fa niseho teny Ambatobe ny mpanakanto Mr Sayda.
Niely tamin’ny tambazotra sy ny fampahalalam-baovao fa sakaizan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny tenany, ary izay no voalaza fa nisian’ny fitifirana nataon’ny tompom-bady. Ny fitifirana aloha dia efa nisy manampahefana naneho, fa tena nisy poa-basy. Tsy mbola nisy kosa ny fanamarinana ofisialy, fa ireo olona telo ireo tokoa no nifanjevo tao anatin’ny raharaha. Efa nisy ny fandisoana tamin’ny endriny samihafa nataon’ny Minisitry ny serasera, raha toa ka mbola tsy niloa-bava kosa ity mpanakanto malaza ity. Raha ny loharanom-baovao iray tsy ofisialy kosa, voalaza fa nalain’ny mpitandro filaminana ny vadin’ity Mpanakanto ity ny faran’ny herinandro teo. Mety natao fanadihadiana, na koa mba ho fiarovana azy manokana sy ho fitandrovana ny ainy, hoy io loharanom-baovao io. Andrasana kosa ny fanazavana sy fanamarinana na koa fandisoana ofisialy. Ny somary mahagaga kely ao anatin’ny raharaha ihany koa anefa, nampiasaina ny Minisiteran’ny serasera amin’ny maha departemantam-panjakana azy, mba hiarovana sy hanamelohana ny resabe momba ny minisitra. Nahetsika ny karazan’olona maro samihafa hanohana an-dRtoa minisitra. Samy ao anatin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izy roa ireo satria mpanolontsaina ara-teknika i Mr Sayda, saingy ny minisitra ihany no nezahina narovana sy nodiovina mivantana tamin’ny alalan’io minisitera io, fa ity faharoa kosa toa nohadinoina tanteraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.