Niditra tamin’ny fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha nahafatesan’ny mpianatra ho mpanamory angidimby,
Maherimanana Andrianina Rakotoson, teo anivon’ny ACMIL Antsirabe ny taona 2019 omaly ny teo anivon’ny fitsarana etsy Anosy. Araka ny fanazavana dia tsy maintsy any Antsirabe no tanterahana ny fitsarana ny raharaha. Nampatsiahivin’ny fofombadiny fahavelony, Fenoharisoa Ravelonandrianina, fa salama tsara ity mpianatra ho mpanamory ity niala tao an-tranony hamonjy an’Antsirabe kanefa nony naverin’ny toeram-piofanana ho tsaboina eto Antananarivo dia efa am-bavahaonan’ny fahafatesana ary nolazaina fa misy aretin’ny voa. Nahitana mangana sy dian-kiraro koa ny tarehiny ary izy iny nindaosin’ny fahafatesana iny. Izay no mahatonga anay miahiahy sy nametraka fitoriana ary tsy hanaiky hatramin’ny farany, raha tsy mivoaka ny marina. Matoky ny fahendren’ny fitsarana izahay ary manantena ny hivoahan’ny marina manoloana ity raharaha ity rehefa mivoaka ny didim-pitsarana aorian’io fitsarana ho avy io, hoy hatrany ny solotenan’ny fianakaviana. Manentana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ihany koa izy ireo mba hijery akaiky ny fandraisana ireo mpianatra hiditra ao amin’ity akademia miaramila ity ary ny filoham-pirenena mba hanara-maso akaiky ny toe-draharaha satria fiarovam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no antony nodian’ity namoy aina ity an-tanindrazana saingy izao no nahazo azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.