Actualités

Raharaha Nadine Ramaroson Hivoaka anio ny marina ?


  • Talata 15 Mey 2012

Fantatra izao fa hifampitafa amin’ny mpanao gazety momba ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson anio talata manomboka amin’ny telo ora tolakandro eny amin’ny Orchidée Blanche Androhibe, ny fianakaviana Ramaroson.

 Ity fianakaviana ity moa dia efa nilaza sy namerimberina fa mampiahiahy ihany ny antony marina nampivadika ilay sambo Black Shark sy ny nahafaty ny zanak’izy ireo. Ny CST Alain Ramaroson, dadatoan’ny maty manokana, dia mbola nanamafy izay efa nolazainy ombieny ombieny tamin’ny sabotsy teo teny Ambatonakanga fa efa vita ny fanadihadina natao ka voaporofo fa nisy namono ny zanany ary misy ny ahiahiany ny amin’izany fa miandry fotoana kely kosa izy hanambarany azy. Be ny siosion-dresaka manodidina iny raharaha iny, ka handrenesana feo etsy sy eroa milaza fa hafahafa tokoa ny zava-nitranga rehetra.

Nahoana no tsy maintsy nandeha sambo itompokovavy ? Nahoana no tara be vao nanainga ? Inona no antony namonoana ny moteran’ny sambo teo am-pidirana ny vinany tao Soanierena Ivongo ? Inona no nahatonga ireo fipoahana ? Ary tamin’ny faran’ny herinandro teo aza dia nisy ny zavatra nivoaka tamin’ny tranonkala, afaka nahita izany ireo miserasera amin’ny facebook. Milaza mazava io karazana famoahana tsiambaratelo tamin’ny tranonkala io fa nisy ny paika sy tetika hamonoana an’i Nadine Ramaroson ka anarana maro no nivoaka tao, ary voatantara amin’ny antsipirihany mihitsy ny dingana rehetra natao tamin’izany, niainga teto Antananarivo, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie ary Soanierana Ivongo. Tsy voatery ho marina sy mitombina avokoa ny zavatra rehetra hita amin’ny "internet" saingy ny manaitra amin’ity famoahana ity dia tena amin’ny antsipirihany amin’ny daty sy ora ary minitra mihitsy ny zavatra ambara rehetra.

Tsy hay ihany koa na fifandrifian-javatra na ahoana fa andro vitsivitsy taorian’ny niparitahan’io vaovao io tamin’ny facebook, dia izao hihaona amin’ny mpanao gazety, eny Androhibe izao amin’ity anio ity ny fianakaviana Ramaroson. Dia miandry izany ny rehetra satria tena azo ambara fa goavana ity raharaha ity. Na manamafy ny fianakaviana Ramaroson fa tena novonoina ny minisitry ny mponina teo aloha noho ny antony maro samihafa, ary mety hivoaka ny tsiambaratelo maromaro na izy ireo milaza fa loza tahaka ny loza mitranga rehetra ihany no nampivadika ilay sambo Black Shark 500 metatra tsy hahatongavany tao Soanierana Ivongo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT