Fanadihadiana momba ilay sambo Black Shark, fanadihadiana ara-pitantanana eo anivon’ny APMF ary fanadihadiana ara-pitsarana momba ireo akanga sisa nanamborana izay ao anatiny ny mpiambina an’ny minisitra Nadine Ramaroson !
Izay no indray mandeha amin’izao fotoana izao raha araka ny tatitry ny filankevitry ny governemanta omaly. Anisan’ny fepetra noraisina avy hatrany ny tsy hahazoan’ny sambo mivezivezy eo amin’iny fari-dranomasina Sainte Marie mampitohy an’i Soanierana Ivongo iny aorian’ny mitataovovonana. Io dia fepetra efa noraisina an-taonany maro saingy tsy voahaja.
Nampiahiahy ny mpanao fanadihadiana ihany koa ny amin’ny ahafahan’ilay “capitaine” nitondra ny sambo izay mampitohy an’ireo toerana roa ireo kanefa izy dia heverina fa ny fitondrana mpizahatany eo amin’ny manodidina ny Nosy Sainte-Marie ihany no mahazatra azy.
Farany dia nisongadina sy voamarina fa nisy olona niampita teny ambony ranomasina rehefa nanonja ny rano ka nisy nipitika. Lasa nitongilana arak’izany ilay sambo ka nivadika. Mbola mistery avokoa izany satria na ny feo heno avy any Soanierana Ivongo aza dia hoe mbola misy razana tsy hita taorian’iny loza an-dranomasina iny ka ahiahian’ny olona ho nafenina. Hatreto koa dia mbola ilay fipoahana no heverina ho tena nitarika ny fahafatesan’ny minisitra. Mbola maro, araka izany, ny mistery ary fantatra fa efa nandefa olona any an-toerana ny CST Alain Ramaroson mba hanao ny fanadihadiana azy manokana. Efa nanambara ma izy fa tsy hamela ho vita mora foana an’iny fahafatesan’ny havany iny.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.