Raharaha Nadine Ramaroson

> Hipoitra tsy ho ela ny marina


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Efa feno tanteraka ankehitriny ny fanadihadiana momba ny nahafatesan'ny minisitry ny mponina teo aloha, Nadine Ramaroson, nokarakarain'ny komity manokana misahana izany eo anivon'ny Filankevitra ambonin'ny tetezamita.

Hivoaka tsy ho ela, araka ny fanazavan'ny CST Alain Ramaroson, ny marina izay notsindriany manokana fa tsy avelan'izy ireo raha tsy fanta-poko, fanta-pirenena mba tsy hahavery momoka ny ain'ny zanany “izay anisan'ireo minisitra nahavita be tato anatin'ny fitondrana tetezamita”. Hisy ny fampiantsoana mpanao gazety tsy ho ela, hoy ihany ny CST Alain Ramaroson mba hanaparitaka ny vaovao mikasika izany. Nandritra ny fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra teny amin'ny Chapelle Sainte Famille Mahamasina omaly no nanambaran'i Alain Ramaroson izany, tsingerintaona faharoa nahatsiarovana ny nahalasanan'Itompokovavy. Olon-tsotra, fikambanana maro samy hafa no tonga nanotrona ny fianakavian'Itompokovavy. Nambaran'ny CST Alain Ramaroson moa fa zava-dehibe ho azy loatra izao fahatsiarovana ny faharoa taona nahalasanan'Itompokovavy Nadine izao ka izay no antony tsy dia nahitana azy niteny sy naneho ny heviny loatra mikasika ny fiainam-pirenena. Na izany aza anefa dia nambarany fa hipoitra tsy ho ela amin'izay ny tenany ary hiteny amin'ny maha olom-pirenena sy tompon'andraikitra azy eto amin'ny firenena mba ho tombontsoan'ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT