Taorian’ ny raharaha nivoaka tao anatin’ny tambazotran-tserasera Facebook mahakasika ny fandrobana ny volan’ireo mpiasa malagasy izay nampidoboka am-ponja vonjimaika ny tale jeneralin’ny CNaPS sy ireo mpikambana
sasany ao anatin’ ny filankevi-pitantanana dia manomboka mivoaka koa izao ny raharaha hafa. Araka ny loharanom-baovao dia nanery orinasa malagasy handoa vola an-tapitrisa maro ny CNaPS. Ny taona 2020 sy 2021 no nandefasan’ny CNaPS « fitakiana an-taratasy tsy very mandeha » na « mise en demeure recommandée » ireo orinasa lasibatra tanatin’izany. Nisy ohatra ireo notakiana 60 tapitrisa ariary ary misy ireo tonga hatrany amin’ ny 100 tapitrisa ariary. Ny tena olana anefa dia tsy voazavan’ny tompon’andraikitra hoe «haloa aiza ilay vola be ary natao ho an’iza?» Raha ny ara-dalàna dia manoratra ny mpiasany ao amin’ ny CNaPS ny orinasa iray. Ny latsakemboka voafaritry ny lalàna ho an’ny mpiasa tsirairay no aloa. Tsy misy afa-tsy izay ny vola aloa saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia terena handoa volabe ny orinasa. Raha io izany no mitombona dia sady nandroba ny volan’ ireo mpiasa malagasy ireo tompon’andraikitra ao amin’ ny CNaPS no mbola mamotika ny orinasa malagasy amin’ny fakana vola mazava. Mangataka ny tompon’andraikitra mba hanara-maso akaiky izany moa ity loharanom-baovao ity. Iaraha-mahalala ny taona 2020 – 2021 fa fotoanan’ny fihibohana na “confinement” ary ireo fitakiana ireo dia tsy misy fototra niaingana mihitsy. Tokony handray fepetra mahakasika izao fambotriana ny orinasa malagasy izao ny mpitondra fanjakana, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Hisy moa ny fitokonana manoloana ny fitsarana Anosy ataon’ireo mpiasan’ny CNaPS amin’ity marainan’ny alatsinainy ity ho fanoherana ny fandanindaniam-poana sy fanaovana izay tantely afa-drakotra ny volan’ny CNaPS izay, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.