Actualités

Raharaha miaraka.com Hiakatra fitsarana anio ny andiany voalohany


  • Zoma 18 Martsa 2022

Hanomboka amin’ity herinandro ity, dia anio zoma 18 martsa, no hiakatra fitsarana ny raharaha miaraka.com, hoy ny mpitondra tenin’ireo lasibatr’ity vovonana mpanohana tetikasa ity, Harivola Raharinosy.

 Hatreto izahay dia mbola tsy nahazo vaovao mikasika ny miaraka.com, hoy izy. Samy miandry ny eny amin’ny tribonaly izany na izahay na izy. Andiany voalohany io hanomboka hiakatra fitsarana io. Efa misy andiana fitoriana miisa 3 izao. Amin’ity herinandro ity no farany handraisanay ireo dosien’ny andiany fahatelo. Efa tafakatra 300 isa mahery hatreto ireo tafavondrona hanao io fangatahana famerenam-bola io. Raha tsiahivina fohy moa dia nanomboka ny volana janoary teo no nananan’ny miaraka.com olana tamin’ny mpandraharahany na “investisseur”. Nandefa fampahafantarana izy hoe hanao fitsirihana anatiny ka dia haato aloha ny asa rehetra. Vokatr’izay “audit” izay dia nilaza ry zareo fa tra-pahasahiranana ka voatery hangataka famelana tsy hamerim-bola amin’ny tribonaly na ilay antsoina hoe PCAP. Nanidy trano avy eo dia tsy azo antso intsony. Tapa-kevitra hitory izahay noho izany satria ny ahy manokana izao tetikasa tokony nampidi-bola be na ho an’ny firenena na ho an’ny tenako manokana sy izay rehetra mety ho voakasika tanatin’ilay orinasa nefa dia izay no zava-nitranga, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fanampim-panazavana moa dia efa nahazo fandrarana tsy hivoaka ny tanin’I Madagasikara na IST ireo tompon’ny miaraka.com. Efa maherin’ny 1 miliara ariary kosa no vola very tanaty vovonana, raha ho an’ity mpitondra teny ity manokana raha toa ka maherin’ny 10 miliara ariary no an’ireo lasibatra maherin’ny 2000 isa.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT