Actualités

Raharaha «Marais Masay» Vitavitaina amin’ny tondro molotra


  • Talata 22 Martsa 2011


Feno soratsoratra ny tamboho eny Mahamasina, Anosy mipaka hatrany Ampefiloha sy ny faritra talaky maso eto afovoan’Antananarivo renivohitra, hatramin’ny nisian’ny resaka baomba nipoaka teny amin’ny Marais Masay iny. Ny iombonany dia saika anaran’olona manana ny maha izy azy eo amin’ny ankolafy politika ivelan’izao fitondrana mijoro izao no misoratra eny, izay toa maniraka ny tokony hatao amin’izy ireny. Tsy mijanona eo fa dia hatrany amin’ireo onjampeo akaiky izao fitondrana izao no misy io fitononana anaran’olona, miendrika tondro molotra io, izay manasoketa ankitsirano tsotra izao. Lasibatra tamin’izany i Mamy Rakotoarivelo, dia izao iaraha-mahalala izao ny zava-mihatra aminy.

Lasibatra indray koa izao i Fetison Rakoto Andrianirina, fa hoe tafiditra amin’iny raharaha iny izany «Alain» mpamily izany. Raha nanontaniana izany moa i Fetison dia nilaza mazava fa tsy mbola nanana mpamily mitondra izany anarana izany izy. Notsoriny mazava anefa fa tsy manda velively ny hanokafana fanadihadiana mikasika izany ny tenany, fa tokony hohajaina kosa ny fepetra voatondron’ny lalàna mba tsy hovitavitaina amin'ny resaka tondro molotra fotsiny ny raharaha.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT