Actualités

Raharaha Manakara Nisaotra ny Fitsarana ny Kly Charles


  • Alarobia 14 Septambra 2011


 Taorian’ny fivoahan’ny didy manome rariny ny Ben’ny tanànan’i Manakara, Andriano Giscard, teo anoloan’ny Fitsarana Tampony dia nampita hafatra tamin’ireo fianakaviany ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina ho fisaorana ny Fitsarana. Toy izao izany hafatra izany : "Misaotra manokana aho satria nahalala ny rariny sy ny hitsiny ny Fitsarana. Amin’ny maha tany nahaterahako io Manakara io dia ato anatiko ato ny fitiavana azy. Faly aho raha vao nandre fa tafaverina amin’ny toerany ny Ben’ny tanàna Andriano Giscard. Anisan’ny iderako ny Fitsarana ny tsy fitongilanan’izy ireo tamin’ity raharaha ity". Tsy vitan’izay namerina ny Ben’ny tanàna ny Fitsarana fa mbola nampandoa onitra ny ministeran’ny Atitany sy ny Faritra Vatovavy Fitovinany ihany koa. Midika izao fa nisy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny FAT.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT